• Miaro sy manondrotra ny fomba amam-pitenenana malagasy amin’ny alalan’ny kabary

    “Kabary: harem-pirenena mampandroso ny taranaka ankehitriny ary lovain-jafy”

    “Izay tia ny tenindrazany, tia ny tanindrazany”

    “Kabary: ivelaran’ny isam-paritra, mampiray ny Malagasy; Kabary, antsika jiaby”


<< Pejy fandraisana


TANTARAN’NY FI.MPI.MA. Soisy nandritra ny 6 taona.

Tafajoro ara-dalàna eo anivon'ny Rafitra FI.MPI.MA, ny taona 2011 ny Sampana FI.MPI.MA. ka FI.MPI.MA. Soisy sy ny Manodidina (Suisse et aux environs) no anarany tamin’izany. Ramatoa Hajaina ANDRIANASOLO (Talen'ny Fampianarana sy Fikarohana Madagasikara tamin’izany fotoana izany) izay nanao fitsidihina taty Soisy no nanorina ny fikambanana, ary mbola izy ihany koa no tonga isan-taona taty Soisy nampianatra sy nanofana ireo mpikabary VAO hatramin’ny taona 2014.

Isan’andro mandritra 15 andro eo ho eo ny fianarana tamin’izany fotoana izany.

Andia enina no efa navoaka tao anatin’izay dimy taona izay dia ny Andia Famantarantsoa (2011), Andia Lemanankanto (2012), Andia Vohipotsy (2013), Andia Rofia (2014), Andia Tokoteny (2016) ary Andia Telolahy Be’Zao (2017).

Ankoatra ny lanonana famoahana mpiofana mpikabary dia misy ihany koa ireo Seho maro samihafa ary fifaninanana Soratononina, izay nokarakarain’ny Fikambanana.

Misy isan-karazany ny Mpikambana ao aminy ka azo hitarafana ny santionan’ny Malagasy mipetraka aty ivelan’i Madagasikara. Nisy ireo mbola vao mpianatra, ireo miasa na efa mpisotro ronono ka monina eto Soisy sy ny Manodidina, ary nisy koa ireo izay efa nody any Madagasikara na koa nifindra monina any Canada.

Ahitana karazam-pinoana samihafa ihany koa ato anatin’ny fikambanana.

Azo lazaina fa manambatra ny Malagasy aty ivelan’ny Nosy ny FI.MPI.MA.

Ny 18 aprily 2015 no lasa FARITANY FI.MPI.MA Soisy ny fikambanana koa dia fiofanana ho mampianatra kabary no natao ny taona 2015 ary mahafaly ny manambara fa efa tafajoro an-tsakany sy an-davany ny Filan-kevitry ny Fampianarana ary koa efa misy mpampianatra  maharitra eto amin’ny fikambanana ankehitriny.

Andriamatoa RABEMANANTSOA Harinaina no Filohany

ary Andriamatoa ANDRIAMANANAIVO Jean no filoha Lefitra.

Ny taona 2015 - 2016 dia efa nampianatra sy nanofana mpianatra ny Fikambanana ka miara-miasa akaiky amin’ny FIM.MPI.MA Foibe ihany koa ny eto an-toerana amin’izany fampianarana izany ary dia nisy fotoana nanaovana fampianarana amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra. Amin’ny famaranana ny taom-pianarana dia tonga manamafy izany fampianarana izany koa Andriamatoa ANDRIAMANALINARIVO Rainibemirindra, filoham-paritany FI.MPI.MA. Antananarivo.

Ankehitriny izany dia isan-kerinandro ny fotoam-pianarana izay maharitra adin’ny roa (2h) ary mandritra ny dimy volana eo ho eo.

Porofon’ny fahombiazana ireo andia Tokoteny sy andia Telolahy Be’zao

Ny mahafinaritra ary mbola hirariana dia ny hitohizan’ny fiaraha-miasa matotra misy eo amin’ny FI.MPI.MA Soisy sy ny Masoivohon’i Madagasikara eto an-toerana. Fisaorana mitafotafo no atolotra azy ireo amin’izany satria dia manana Raiamandreny miahy tokoa ny Fikambanana.

Eto am-pamaranana dia misaotra indrindra anareo izay mpanohana sy sakaizan’ny Faritany FI. MPI. MA Soisy ihany koa satria « Mpirahalahy mianala isika, ka ianareo tokinay, ary izahay tokinareo ». Mankasitraka anareo amin’ny fahatongavana manotrona isaky ny misy hetsiky ny FI.MPI.MA.

Mankatelina ireo izay avy lavitra manotrona anay aty isaky ny lanonana famoahana mpianatra.

Manantena fa ho maro ianareo mpamaky no tapa-kevitra hanatevin-daharana ny FI.MPI.MA. Isaky ny volana Novambra izao indray no misokatra ny taom-pianarana manaraka.

Ho ela velona anie ny FI.MPI.MA Faritany Soisy ! Ho ela velona ny Teny Malagasy !


Mpikambana

  • Birao :
    • Filoha : RABEMANANTSOA Naina
    • Filoha Mpanampy : ANDRIAMANANAIVO Jean
    • Mpitantsoratra : ROBEL Noro
    • Mpitantsoratra lefitra : ANDRIAMANANAIVO Nicole
    • Mpitahiry vola : RANDRIAMIHARISOA Lala
    • Mpandinibola : RAKOTONARIVO Mamy
    • Tonia : RANDRIANARIVONY Hanitra
    • Mpiandraiki-draharaha isam-pirenena : RAKOTOARISOA Lanto
  • Tomponandraikitra :
    • Serasera : RANDRIAMIHARISOA Alex
    • Zava-kanto (hira, dihy) : RAKOTOARISOA Nivo
    • Doka, sary : RAMAROSON Anatole
  • Mpanolotsaina :
    • Rakotonarivo Robel Olga
    • Robel Claude
    • RANDRIAMPARANY Honitra
    • RAKOTOMANGA Bérnardin
  • Mpikambana nosalorana lamba teto Soisy :
    • RABEMANANTSOA Harinaina
    • RAKOTONARIVO Mamy
    • RAMAHEFANTOANINA Joe
    • RANDRIAMIHARISOA Alex
    • RANDRIAMIHARISOA Lala
    • RANDRIANARIVONY Hanitra
    • RAKOTONARIVO ROBEL Olga
    • ANDRIAMANANAIVO Jean
    • ANDRIAMANANAIVO Nicole
    • RAMAROSON Anatole
    • RANDRIANATOANDROSON Tovo
    • ROBEL Claude
    • ROBEL Noro
    • RAKOTOARISOA Eleonore Nivo
    • RAKOTOARISOA Lanto
    • RAMAHEFANTOANINA Josuy
    • RANDRIAMPARANY Honitra
    • RANDRIAMPARANY Thimotée
    • RANIRIARISOA Marie Justine
    • KORODO Jean Félicien
    • RAKOTOMANGA Bernardin
    • RASOLOFOMAMPIONONA Philémon
    • ANDRIAMASY Léon Maxime
    • KOLA Emi-Haulin
    • RAKOTONANAHARY Norbert
    • ANDRIANARISOA Hanta Nirina
    • BEDO Nicolas Benjamin
    • RALISON Franck Eric
    • ANDRIANARISOA Olga Hasina
    • RAHAINGOARIVONY Klimaszewski Volahanta
    • RAHAINGOARIVONY Ramihone Emilienne
    • RAHAINGOARIVONY Schuwey Nancy
    • RAMANAMBOHITRA Jocelyn
    • RASOANIAINA Marie Odette
    • RAZANADRANAIVO Haingo
    • ANDRIAMASINORO Dimy Navalona
    • HARY Jean Marcel
    • IAVINDRASANA Jimison