• "Izay tia ny tenindrazany, tia ny tanindrazany"

    Miaro sy manondrotra ny fomba amam-pitenenana malagasy amin’ny alalan’ny kabary


<< Pejy fandraisana


Ireo andiany nivoaka hatrizay niforonan'ny FI.MPI.MA. Soisy


  • Andia Famantarantsoa (2011)

    Ny anaran’ny Andia Famantarantsoa dia notovozina tamin’ireo zavatra mampalaza ny firenena Soisy dia ny famantaranandro sy ny chocolat (kôlà).


  • Andia Lemanankanto (2012)

    Ny anaran’ny Andia Lemanankanto dia notovozina tamin’ny Ony (Lac) izay mampalaza ny Soisy dia ny Lac Léman noravahana kanto.


  • Andia Vohipotsy (2013)

    Ny anaran’ny Andia Vohipotsy dia notovozina tamin’ny tendrombohitra malaza manodidina an'i Soisy dia ny tendrombohitra Montblanc izany ka nohagasiana dia lasa hoe Vohipotsy


  • Andia Rofia (2014)

    Amin’ny maha Andia fahefatra azy ireo dia nalaina tamin’ny “fanisana malagasy” ny anarany: Isa ny amontana, roa ny aviavy, telo fangady, efa-drofia, dimy emboka,…


  • Andia Tokoteny (2016)

    Ny Andia TOKOTENY dia notovozina tamin’ny maha mpianatra mpikabary anankitelo azy ireo ka nomarihiny tao anatin’ny anaran’ny Andia ny maha “tokotelo mahamasa-nahandro” azy ireo ary notovanana “teny” satria mianatra kabary dia avy amin’ny TENY izany.


  • Andia Telolahy Be’Zao (2017)

    Fahasahiana ny nisafidianana ny anarana Andia TELOLAHY BE’ZAO satria nomarihin’izy telo mirahalahy izay navoaka fa: 1)sahy izy ireo nianatra kabary na dia efa misy zokiolona aza ny sasany tamin’izy ireo, 2)mpianatra avy amin’ny Faritany samihafa izy telo mirahalahy, 3) Samy nanana ny nampiavaka azy tamin’ny asany ny tsirairay toy ny mpiasa misotro ronono tao amin’ny BIT, pasitera ary mpiasa ao amin’ny masoivoho Masoivoho malagasy eto Soisy.

  • Andia Rakijoro (2018)

    Ny anarana Andia RAKIJORO dia avy amin'ny fanakambanana ny RAKITRA sy ny JORO.

  • Andia Lahitokanampelasoa (2019)

    Ny anaran’ny Andia LAHITOKANAAMPELASOA dia notovozina tamin’ny isan'izy ireo, lehilahy IRAY sy vehivavy ENINA. Ary ny SOA dia avy amin'ny zavatra mampalaza ny Soisy toy ny sôkola ary indrindra SOA ny andian’izy ireo..

  • Andia Jaomiaradia (2020)

    Ny anaran’ny Andia JAOMIARADIA dia avy amin’ny anaran’ny Mpiofana dia JIMISON – HARY – DIMY.

    JIMISON - HARY - DIMY. Izany hoe J (imison) aoMI (H) AR (y) DI (my) A

    Sady manambara ihany koa fahatanjahana satria ny JAO dia enti-milaza omby ngeza sady lava tandroka. Miara-dia ihany koa rizareo satria ao anatin’ny Andiany iray.

  • Andia Rohy Iray (2021)

    Ny fitiavana ny Kabary Malagasy no nampifanojo anay 12 mianadahy teo amin’ny rohy “zoom”-n’ny Faritany FI.MPI.MA. Soisy ny taona 2020. Izay vanim-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana Covid tanteraka ka na ny fotoana nisafidiana ny anarana aza dia tamin’ny alalan’ny rohy satria tsy afaka nifanerasera mivantana ary tsy mbola nihaona mihitsy ny mpiara-miofana tamin’izany.

    Miparitaka any amin’ny Nosy La Réunion, Frantsa ary Soisy mantsy izahay iray andiany.

    Ny 2 mey 2021 no nipoiran’ny anarana “ROHY IRAY” izay nantsoinay ihany koa hoe “Fifamatorana tokana”. Samy resy lahatra fa tsy vato misakana ny elanelan-tany fa vao mainka aza nampamafy orina ny rohy satria nanjaka tao anatin’ny Andiany ROHY IRAY mandrakariva ny fifankatiavana, ny fifanajana, ny fifandeferana, ny firaisan-kina, ny fifamatorana ka nampitohy hatrany ny rohim-pihavanana.