• "Izay tia ny tenindrazany, tia ny tanindrazany"

    Miaro sy manondrotra ny fomba amam-pitenenana malagasy amin’ny alalan’ny kabary


<< Pejy fandraisana


Fampianarana Kabary

Efa misokatra dieny izao ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam-paniriana hianatra Kabary ka isaky ny volana Novambra no fanombohan’ny fampianarana. 

Ny toeram-pampianarana dia Genève nefa azo dinihina ihany ny toerana hafa araka ny fandaminana.

Afaka manoratra eto amin'ny serasera ireo izay liana na mila fanazavana bebe kokoa ary koa ireo izay hisoratra anarana ho an’ny taom-pianarana 2017-2018 izay manomboka ny 3 Novambra 2017.

Ny FI.MPI.MA. Faritany Soisy dia miara-miasa akaiky amin’ny FIM.MPI.MA. Foibe amin’ny fampianarana kabary, misy fotoana ny fampianarana dia atao amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra.

Ankehitriny izany dia isan-kerinandro ny fotoam-pianarana izay maharitra adin’ny roa (2h) ary mandritra ny dimy volana eo ho eo.