• "Izay tia ny tenindrazany, tia ny tanindrazany"

    Miaro sy manondrotra ny fomba amam-pitenenana malagasy amin’ny alalan’ny kabary


Ny Teny Malagasy, Tenin-drazantsika

"Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko"


Fomba fampiasa sy fanoratra

sokafana daholo | akatona daholo

Ireto avy ny zanatsoratra fampiasa amin’ny teny malagasy : a, e, i, o, y

Ireto avy kosa ny renisoratra fampiasa amin’ny teny malagasy : b, d, f, g, h, j, k, l, m, n, p, r, s, t, v, z

  • renisoratra  MALEMY : f, h, l, r, s, v, z
  • renisoratra  MAFY: b, d, g, j, k, p, t, dr, ts, tr
  • renisoratra  MOANA : m, n

Raha misy teny roa akambana ho iray, dia ovaina ny renisoratra voalohany amin’ilay teny faharoa raha tahiny renisoratra malemy, ka tonga renisoratra mafy mifanandrify aminy toy izao :

  • F → P: ny F miova ho P
  • H → K
  • L → D
  • R → Dr
  • S → Ts
  • V → B
  • Z → J

Raha tsy miafara amin’ny "-ka", "-tra", "-na" ny teny voalohany dia ampiana « N » hatrany ny teny voalohany ka ny teny faharoa dia miova manaraka iretsy voalaza etsy ambony iretsy :

  • Ohatra:
    • sary + saka = sarin-tsaka

Mikasika ny teny faharoa manomboka amin'ny "f" na "v" dia miova «M» ny «N» eo alohan'ny tsipi-panohizana ka ny  «f» miova ho «p» ary ny «V» lasa «B»

  • Ohatra:
    • 1. voa + vary = voam-bary
    • 2. Tany + Vahoaka = Tanim-bahoaka

Raha misy teny roa atambatra ka ny teny voalohany miafara amin'ny "-na" dia miala ny "-a" ka misolo tsipi-panohizana ka ny teny faharoa dia miova manaraka iretsy voalaza etsy ambony iretsy koa.

  • Ohatra:
    • 1. Fianarana + hira = Fianaran-kira
    • 2. Lanonana + Fahavaratra = Lanonam-pahavaratra
    • 3. Ravina + saonjo = Ravin-tsaonjo

Raha miafara amin'ny "-na" ny teny voalohany ka manomboka amin’ny "-ka" ny teny faharoa dia miala tanteraka ny na amin’ny teny voalohany dia misolo tsipi-panohizana.

Fa ny teny miafara amin'ny "-ka", "-tra" rehefa atambatra amin'ny teny hafa dia miala tanteraka ny "-tra" sy ny "-ka" ka misolo tsipi-panohizana

  • Ohatra:
    • 1. Lavaka + Voalavo = Lava-boalavo
    • 2. Matahotra + Vehivavy = Mataho-behivavy

Raha miafara amin’ny "-ka", "-tra" na "-na" ny teny voalohany ka manomboka amin’ny zanatsoratra ny teny faharoa dia milatsaka "-a" amin’ny teny voalohany ka soloana faingo mihantona raha toa ka tompon’ny teny voalohany ny teny faharoa.

Raha tsy izany dia soratana misaraka ireo teny roa ireo :

  • Ohatra:
    • 1. Zanak’adala (ny adala eto no ambara fa manan-janaka)
    • 2. Zanaka adala (ny zanaka eto no ambara fa adala)

Raha miafara amin’ny zanatsoratra kosa ny teny voalohany ka manomboka amin’ny zanatsoratra ihany koa ny teny faharoa dia ampiana « -n » sy « ’ » ny teny voalohany raha toa ka tompon’ny teny voalohany ny teny faharoa

  • Ohatra:
    • 1. Valala + amboa = Valalan’amboa (Ny amboa no tompon’ny valala)

Raha milaza mpanao asa ny teny fameno

  • Ohatra:
    • Tatatra afak’olona io

Misokajy roa ny tovona

  • 1.Tovona tsotra
    • m, m+aka
    • ma, ma+hita
    • man, man+dre
    • mana, mana+tsara
    • manka, manka+hery
    • maha, maha+ratsy
    • mi, mi+teny
    • miha, miha+kely
    • mian, mian+tsena
    • mank, mank+eto
  • 2.Tovona ambaratonga faharoa
    • Mamp,
    • Mif,
    • Mampif,
    • Mifamp,
      • Ohatra:
        • Mamp+a = mampahita

« Samihafa » dia milaza karazan-javatra izany hoe maro karazana fa ny « Samy hafa » kosa dia manambara tsy fitoviana.

  • Ohatra:
    • 1. Misy karazana fanatanjahantena maro samihafa ankehitriny.
    • 2. Samy hafa ny fomba fisainan'ny olona tsirairay.

Ny fomba fanoratra ny "araka ny" dia tsy miova fanoratra mandrakariva. Midika izany hoe "araka izay" fa tsy "arak’izay" velively. Sahala amin'izany koa ny "tahaka izany" dia tsy miova fanoratra mandrakariva

Ny « hadino » dia misy « h » mandrakariva. Noho izany dia diso ny hoe : Aza adino, fa « Aza hadinoina » no izy, satria tsy fiteny ny hoe « aza sasa » fa « aza sasana » no izy.

Mijanona ho "ANA" ihany ny fanoratra azy raha toa manomboka amin’ny "H" ny teny aoriany

  • Ohatra:
    • Ana hetsiny, ana habakabaka

Atamba-panoratra ny "an-/ am-"

- raha tsy azo foanana ary rehefa manambara toerana

  • Ohatra:
    • Andavamamba, andavanandro

- rehefa sarin-teny na milaza hevitra an-kolaka

  • Ohatra:
    • Aza mandray antendrony ny hevitra naposako fa mampifanolana.

- rehefa milaza fatra

  • Ohatra:
    • Ny antsasany ihany handroina /handrahoina sao tsy lany ka masiso

Sarahina fanoratra "an-/ am-"

- rehefa ankoatra ireo tranga telo hita etsy ambony ireo dia asiana tsipi-panohizana mandrakariva aorian’ny "an-/ am-"

  • Ohatra:
    • Am-pandrasana, am-pahatsorana, an-tany

Ny "aoriana" dia milaza fotoana na zavatra mitohy fa ny "ao aoriana" kosa dia milaza toerana.

  • Ohatra:
    • 1. Aorian'ny fiangonana dia hisy fivoriana.
    • 2. Apetraho ao aorian'ny mpamily ny entana.

Ny "Anterina" dia atao tonga antitra na hamafisina

  • Ohatra:
    • 1. Anterina amintsika fa hisy ny fivoriana rahampitso.
    • 2. Anterina ny fisaorana amin’ny fandavan-tena

Ny "Aterina" dia entina na averina amin' ny nakana azy

  • Ohatra:
    • 1. Aterina any Mahajanga ireo olona ireo.
    • 2. Atero aty amiko ilay bokiko

Ny "Tokony" dia arahin’ny fotoana ho avy mandrakariva

  • Ohatra:
    • 1. Fotoana tokony hanatanterahana azy izao
    • 2. Tokony ho nataonao fotsy ny lokony.

Ny "Maika" dia midika fa tsy azo ampiandrasina

  • Ohatra:
    • Maika aho fa aza mitavozavoza ianareo.

Ny "Mainka" dia milaza fanoharana

  • Ohatra:
    • Izao sahady no ataonao mainka fa rehefa ratsy ny ady?

Ny "Noho ny" dia milaza anton-javatra, milaza fampitahana na fanoharana

  • Ohatra:
    • 1. Faly izahay noho ny fandraisanareo.
    • 2. Lava ianao noho ny zandrinao 

Ny "Nony" dia mpampitohy fehezan-kevitra sy arahina matoanteny mandrakariva ary milaza fotoana voafetra ihany koa izy.

  • Ohatra:
    • 1. Mitsiry ny ravina nony tonga ny lohataona.
    • 2. Nony vita ny fampisahoana dia nitehaka ny maro.

Ny "Manantona" dia midika mampikirazorazo na mampikiraviravy

  • Ohatra:
    • Manantona ny lamba ahahy ny mpanasa.

Ny "Manatona" dia midika manakaiky

  • Ohatra:
    • 1.  Manatona azy ianao raha mila fanampiana 
    • 2. Nanatona ahy izy rehefa avy nanantona ny satrony 

Mitambatra: rehefa azo soloina « NO » amin’ny fotoana lasa ny « HO » dia soratana mitambatra izy sy ny teny ao aoriany.

  • Ohatra:
    • Hotanterahina ny asa (azo ampisaina tsara eto ny hoe : Notanterahina ny asa.). 

Misaraka: rehefa tsy azo soloina « NO » amin’ny fotoana lasa ny « HO » dia soratana misaraka amin’ny teny ao aoriany izy.

  • Ohatra:
    • Ho avy any aho rahampitso (Tsy fiteny eto ny hoe: No avy any aho rahampitso. Noho izany dia soratana misaraka amin’ny teny ao aoriana izy.)

Ny «Azo» dia ampiasaina miaraka amin’ny matoanteny aman-tovona manaraka ireto:

  • Tsirinteny sara-droa : x- ... - ana
  • Tovona : a-
  • Tovana :< - ina> na <- ana>
  • Ohatra:
    • 1. Azo amarinina io vola io.
    • 2. Azo atao ny mivily eto.
    • 3. Azo ametahana peta-drindrina etsy.

Noho izany dia tsy fiteny mihitsy ny hoe : Afaka atao ny mivily eto.

Ny«Afaka» dia ampiasaina miaraka amin’ny matoanteny aman-tovona: m-, mi-, ma-, man-

  • Ohatra:
    • 1.  Manatona azy ianao raha mila fanampiana 
    • 2. Nanatona ahy izy rehefa avy nanantona ny satrony 

Noho izany dia tsy fiteny mihitsy ny hoe : Azo mifoka sigara ianao.

Diniho: Ny tsy fahitan’i Lalao namana no nahatapa-kevitra azy hanao tsitranotrano samirery.

Indroa miasa eto ny «TSY»:

  • Ny voalohany dia mitokana ary tsy nasiana tsipi-panohizana amin’ny teny manaraka azy na dia teny roa mifameno aza ny «TSY» sy fahitana, na dia mazàna koa aza no misy tsipi-panohizana no fomba fanoratra azy amin’ny boky sasany
  • Ny faharoa dia tovona natao eo amin’ny fototeny miverindroa hoe <tranotrano>. Mampihen-danja ny hevitry ny teny ny tovona «TSI», izany hoe tsy tena trano no nataon’i Lalao fa kely sady mibikabikan’ny trano fotsiny : Kitranotrano koa no azo ilazana azy.
  • Marihina fa ny anarana niforona avy amin’ny matoanteny ialohavan’ny «TSY» dia saika miantomboka amin’ny litera «F» avokoa.

Ny «TSY» teny mpanampy milaza fandavana dia soratana misaraka amin’ny anarana manaraka azy fa tsy asiana tsipi-panohizana velively.

  • Ohatra:
    • Ny tsy fanekena
    • Ny tsy rariny

Ny anarana miverondroa asiana ny tovona «TSI» kosa dia akambana fa tsy sarahina ary tsy asiana tsipi-panohizana.

  • Ohatra:
    • 1. Ny tsiambaratelo.
    • 2. Ny tsivarivary (na kivarivary)

Fampisana

ny ...ombiomby ny ...fahalalana ny ...metimety
ny ...olona ny ...fahadisoana ny ...henahena
ny ...fahatakarana ny ...sadasada ny ...salama
ny ...fahaizana ny ...osaosa ny ...tranotrano
ny ...fahatsiarovana ny ...tsaratsara ny ...mahombihomby

«NTSIKA»: raha miafara amin’ny "-na" ny teny tohizana mpisolo tena tampisaka dia Ntsika no ampiasaina.

  • Ohatra:
    • Fitaovantsika no hampiasaina amin’io fety io ( Fitaovana eto miafara amin’ny "-na")

«TSIKA»: raha miafara amin’ny "-ka" na "-tra" ny teny tohizana mpisolo tena tampisaka dia: Tsika no ampiasaina.

  • Ohatra:
    • 1.Tsiambaratelo ny resatsika androany fa aza aparitaka ( Resaka eto miafara amin’ny "-ka")
    • 2. Esory ny tahotsika fa tsy mampandroso ( Tahotra eto miafara amin’ny "-tra")