Teny Fanolorana

Ny kanto nokajian’ny ela, mazàna, no ravadravaky ny ankehitriny, ny lofo nokajian’ny finiavana no tonga mamy isambaran’ny maro ary ilay fitia te hizara ny mendrika no namory ny ao an-tsompi-pahalalana. Dia zary sompitra andraketana sy anovozam-pahalalana tokoa ankehitriny izao tranokalam-pifandraisana izao. 

Koa miarahaba ny Faritany FI.MPI.MA. Soisy nanao ka nahavita, nilofo ka nahatontosa izao asa lehibe izao. Mankasitraka anareo tsy namihina samirery izay tokony hifampizaràna. Hirobona sy hivelatra hatrany anie ny kanto koloina. Hosongonan’ny anio ny ezaka efa vita, hihoatra ny ampitso ireo irina ho tafita. Ho lava velona eo am-panandratana ny kanto. 

Miharihary fa mampivelatra ny ambaindaim-pahalalana eo amin’ny tontolon’ny kabary izao dingana izao, no mampivondrona ihany koa ireo mpanandratra ny soatoavina malagasy. Mampanan-danja ny kolontsaina voizin’ny FI.MPI.MA. ary manandratra avo ny hasin’ny teny malagasy. Efa ao anatin’ny taon-jato faha 21 isika izao, tsy azo ihodivirana intsony ny teknolojia vaovao, fitaovana mahomby hanapariahantsika ny soatoavina malagasy maneran-tany rahateo izany. Mankasitraka noho izay efa vitanareo. Hafaliana iaraha-manana izany, haravoana iaraha-misitraka.

Ho antsika izay mivahiny ato amin’ity tranonkala ity, mahaiza manana, mahaiza mizara, mahaiza mankafy. Hahita fahombiazana anie ny tsirairay, ka hitombo fahalalana hoenti-mitia ny hafa. Ho velona hamelona ny kolontsaina malagasy anie ny kabary.

Veloma aina, soava tsarà.

Hiombom-po amin’ny FI.MPI.MA.


  • Ny Filohan’ny FI.MPI.MA. maneran-tany

    ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina Ravaomalala

"Izay tia ny tenindrazany, tia ny tanindrazany"

Miaro sy manondrotra ny fomba amam-pitenenana malagasy amin’ny alalan’ny kabary


Lac Leman, Genève

Hira Faneva Fi.MPI.MA

Rohy Fi.MPI.MA Foibe

Herinandron'ny Kabary 2020

Nandray anjara mavitrika tamin'ny Herinandron'ny Kabary 2020 izay notanterahina ny 12-17 Aogositra 2020 lasa teo ny Faritany Fi.MPI.MA. Soisy.


Ohabolana: